He! Hianareo rehetra izay mangetaheta, Mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, Avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, Nefa tsy amim-bola, na amin-karena. Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, Ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, Dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko, Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, Dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida. Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; Ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, Fa hamindra fo aminy Izy. Eny, ho amin'Andriamanitsika, Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo Ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina; Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay. Amen.Thagau Khawvel Ah Lokacin da Ka Ke Shan Wahala Fa Боже Тебя я молю Zahrada Свои считаем мы года علمني أن أثق بك Мен гелйән ве йыкылян ā bà fù Дороже всех يا خبز الحياة
Song not available - connect to internet to try again?