He, Jehovah no Mpiandry ahy, Tsy mba misy atahorako ; Raha Izy no mitondra ahy, Ahi-maitso no handriako. Eny, fa ny tany karankaina, Dia hody saha lonaka, // Ary ao amoron-dranon'aina Hialan'ny foko sasatra // He, Jehovah no Mpitarika ahy, Ao an-dàlam-pahamarinana, Koa tsy ho kivy ny fanahy Amin'ny alo-pahafatesana ; Hianao ry Tokiko irery, No hiara-dia amiko, // Ka ny tsoran-kazonao mahery No hanafaka ny tahotro // Amelaranao latabatra aho Eo imasom-pahavaloko ; Notoloranao kapoaka aho, Ka mahery sady afa-po ; Eny, indrafo tsy hita lany No hiaraka amiko izao // Mandra-pahatongako ho any Hanatrehako ny tavanao //Unico Dios Just as I am/Woodworth ᠵᠢᠷᠤᠭᠡ ᠶᠢ ᠮᠢᠨᠢ ᠬᠠᠮᠠᠭᠠᠯᠠᠭᠴᠢ كۇنادان تازالايمىن Mai sus, mai sus m-aş ridica yuàn nǐ píng ān Şu âlemde arar gönlüm Пройдуть роки Честь и величье силу и славу Alma mía no delires
Song not available - connect to internet to try again?