He, Jesosy Tokintsika ! Tompon'ny fiainana Tonga eto amintsika Olon-kovangiana. Izy no hitory teny Soa, mahavelona, Fa ny ainy no nomeny Mba ho solo-voina. Andrandraonao ka andraso Ny Mazava lehibe Dia Ilay tsy hita maso, Mpanazava, Mpanome ; Fa ny ainao dia ho very, Raha tsy arahinao Ilay Mpanjaka manan-kery Izay nanavotra anao. Eto afovoantsika Ilay Mazava tokana ; Sambatra izay mahita Azy fa ho velona. Ry Jesosy, iresaho Izahay mpianatrao Hafanao sy hatanjaho Ny finoanay Anao !Sulle ali del Tuo Spirito Спаситель стоит مافيش وجود ЯНЛЪЗ ГЕЗЕРДЪМ నేనే ప్రభువా నిన్నప్పగించే Слепой Вартимей มาเถิดให้เราพากันไป Приди же Cântați toți de bucurie Vďaka Ti, ó Bože náš
Song not available - connect to internet to try again?