Jesosy Tompo soa No miantso mafy hoe : « Manatòna avokoa Ry mpanota marobe ! Fa izay manatona Ahy Tsy mba ho horoahiko ; Aza manana ahiahy, Raisonao ny teniko » Aza mba misalasala Ka mihevitra hoe ; Sao ny Tompo tsy hamela Ahy efa diso be. Tsia, tsia, ry mpanota, Matokia marina, Anenenonao ny ota, Jeso hanamarina. He, ny rany sarobidy No mahafa-keloka Ny mpanota voavidy Ka miaiky heloka. Eny, afaka ny revo Noho ny Mpanavotra, Ny devoly manandevo Efa resy lahatra. Ny Mpamonjy mampifidy, Tsy manao an-keriny, Ka antsika ny hifidy Sy handray ny teniny. Koa raha misy very, Dia tsy avy aminy ; Ny manao ny mahavery Dia tsy mba maminy.Non è in vendita Тəмизлији, сафл ығы Сəн өјрəдирсəн La Batalla ḥml ạllh ارايلى بۇگىن تاڭ اتتى Buna İnanırım أنا شمس البر Yesterday, Today and Tomorrow Сердце свое открываю Nechoď sám
Song not available - connect to internet to try again?