Jesosy Tompo soa No miantso mafy hoe : « Manatòna avokoa Ry mpanota marobe ! Fa izay manatona Ahy Tsy mba ho horoahiko ; Aza manana ahiahy, Raisonao ny teniko » Aza mba misalasala Ka mihevitra hoe ; Sao ny Tompo tsy hamela Ahy efa diso be. Tsia, tsia, ry mpanota, Matokia marina, Anenenonao ny ota, Jeso hanamarina. He, ny rany sarobidy No mahafa-keloka Ny mpanota voavidy Ka miaiky heloka. Eny, afaka ny revo Noho ny Mpanavotra, Ny devoly manandevo Efa resy lahatra. Ny Mpamonjy mampifidy, Tsy manao an-keriny, Ka antsika ny hifidy Sy handray ny teniny. Koa raha misy very, Dia tsy avy aminy ; Ny manao ny mahavery Dia tsy mba maminy.Purify My Heart Bízom benned, Jézus Ty jsi Bůh v tomto městě Para andar con Jesús no hay senda ạ̉nt ʿẓym ạ̉sẖdw lk ạ̉yhạ ạlfạdy ạlḥbyb Welcome Into This Place Мой Бог Ты скала Louons le Seigneur ensemble المجد ليك يا مليك
Song not available - connect to internet to try again?