He, Jesosy Tomponao Malahelo, mitomany, Fa izao tontolo izao Mbola mihomehy ihany, Ka ho ratsy fiafara, Fa manda ny Tompo tsara ! Indro, tevana no ao, Fa tsy hitan'ny mpanota, Izay mandihy faly izao Sy manaram-po manota. Ry adala miverena, Sao ho very famonjena. Mba heveronao izao Fa ny tenanao ho faty ; Koa ny fifonanao Aza ataonao matimaty ! He, ny Tompo mitomany ! Sa tsy azonao izany ? Latsa-dranomaso be Sy onena ny Mpamonjy ; Koa mifohaza re Manatòna ho tra-bonjy, Fa Jesosy be fitia Mitomany ny mania.ạsbyny bḥḍwrk yạlly̱ lyk kl ạlslṭạn ʿlmny ạ̉ntẓrk yạ rb Теңирге алкыш, Куткаруучуга Cristo Puso Un Cántico En El Corazón قەدىردانىم ساماۋىي Благодаря за туй, че съществуваш కళ్యాణం కమనీయం Mtazame Huyo! Aliyeangikwa Juu Kalom yoʻldir
Song not available - connect to internet to try again?