He, maharavoravo ! Miantso zaza e Ny Andriamanitra avo, Mpanjaka lehibe ; Ka andeha hanatona Azy, Fa hoy ny Tomponao : "Mba avelao ny zaza Hanatona Ahy izao." Isika mbola zaza Kanefa tian'ny Ray, Na dia tsy hendry aza, Na dia tsy mba mahay ! Ka andeha, ..sns. Ny tahotra esory, Ny henatra ario ; Tsy laviny akory, Ka manatòna anio : Ka andeha, ..sns. Manetry tena izy, Ka saotra no atao; Isika mbola ankizy Matoky Azy izao, Ka andeha, ..sns. He maharavoravo ! He, mahafaly fo ! Fa zanaky ny Avo Isika atý anio : Ka andeha, ..sns.علي يا ملايكة Zgromadzamy się E dorinţa mea să Te-onorez Dio è seduto sul suo trono Prosternez-vous ṣwtk nạdạny Jesus El Conquistador Бирга ҳамду-сано Muqaddas Rabbim, Senga intildim يسوع قادر يسوع حاضر
Song not available - connect to internet to try again?