He ! matoky aho, Tompo, Azoko ny teninao ; Teny soa mahafaly, Teny avy Aminao. He ! matoky aho, Tompo, Azoko ny teninao ; Teny soa mahafaly No omenao ahy izao. Tahotra amana ahiahy Dia ariako izao ; Fa nomenao toky aho Sady tô ny teninao, He ! matoky, ..sns. Izay rehetra fahotana Entiko hesorinao ; Hianao no mahadio Ka diovy aho izao. He ! matoky, ..sns. Mahasasa, mahadio Mahavonjy Hianao, Ka mandray sy mahatondra Tsara ho ao an-tranonao. He ! matoky, ..sns. Jeso Tompo ! avy aho, Avy hankalaza Anao ; Raisonao re izay omeko ; Vola, tena, aina koa. He! matoky, ..sns.What Wondrous Love Is This Бир Куткарыушы бар أقوياء في المسيح أقوياء Angeles Cantando Estan La terre au Seigneur appartient I Believe It (C.A. Tindley) rby qd ṣrt ḥbyby امسك إيدى Одна листва одна листва А Он любит
Song not available - connect to internet to try again?