He, sambatra aho, Jeso, raha miaraka Aminao, Fa ny làlanao dia lavi- pahoriana ; Ny ali-mampahory, ny raho-mitatao Eo anilanao dia mody fitahiana. Tano aho, Jeso, hiaraka Aminao Izay làlana ombako, e ! mba hazavao. Izao no faniriako, manetsika ny fo : Ho sakaizanao mandrakizay doria ; Na inona mihatra, na inona manjo, Hianao no antenaiko hitàntana ny dia. O ! avia Jeso, tano aho e ! Tantanonao ny diako, Tompo mamonje ! Izay sakaizanao, Jeso, no ampoky ny soa, Feno haravoana sy lavitra manjo ; Izay rehetra ilaina anananao tokoa, Raha miaraka Aminao, mionona ny fo Sambatra aho, Jeso, Tretrika tokoa, Ravo ny fanahiko, toloranao ny soa. Inona no mamiko mihoatra noho Hianao ? Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa ? Izay zavatra ilaiko azoko Aminao Koa onenanao ny foko, ho lapanao tokoa. Manjakà, Jeso, ato am-poko Hianao Izay fahotako e ! ry Tompo avelao.Будьте совершенны, как Он свят, Questa fiamma Wachunga Walipolinda تحت ظل حمايتك Gəldim hüzuruna günahlarımla tsmḥ lnạ Слушай весть про последние дни 路得女 Krásnu vlasť Gozo inefable inunda mi alma
Song not available - connect to internet to try again?