He, sambatra aho, Jeso, raha miaraka Aminao, Fa ny làlanao dia lavi- pahoriana ; Ny ali-mampahory, ny raho-mitatao Eo anilanao dia mody fitahiana. Tano aho, Jeso, hiaraka Aminao Izay làlana ombako, e ! mba hazavao. Izao no faniriako, manetsika ny fo : Ho sakaizanao mandrakizay doria ; Na inona mihatra, na inona manjo, Hianao no antenaiko hitàntana ny dia. O ! avia Jeso, tano aho e ! Tantanonao ny diako, Tompo mamonje ! Izay sakaizanao, Jeso, no ampoky ny soa, Feno haravoana sy lavitra manjo ; Izay rehetra ilaina anananao tokoa, Raha miaraka Aminao, mionona ny fo Sambatra aho, Jeso, Tretrika tokoa, Ravo ny fanahiko, toloranao ny soa. Inona no mamiko mihoatra noho Hianao ? Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa ? Izay zavatra ilaiko azoko Aminao Koa onenanao ny foko, ho lapanao tokoa. Manjakà, Jeso, ato am-poko Hianao Izay fahotako e ! ry Tompo avelao.Их Эзэний алдар бидэнд илэрлээ Яшам ЬОндери Вспоминая скрипку Бизди сүйүп This Is How We Know HAWHRA KHUH CUNGLEI KHUA IN Пам'ятайте батьків V mastali vitali Dün, Bugün ve Sonsuza Dek Intro Il mio King
Song not available - connect to internet to try again?