He sambatra, Jesosy ô, Ny ondry vitsinao ! Fa Hianao Mpiandry soa Maharo ny Anao ; Ny ainao no natolotrao Ho an'ireo ondrinao, Ny very tadiavinao Hiaraka Aminao. Izaho voamarika, Ho isan'ny Anao, Anefa mba matahotra Sao dia lavinao Ka aoka mba hotairinao Ny foko, raha hitanao Fa mila ho sondriana Sy diso lalana. Ny hafanana mahamay No mahatrotraka, Anefa mbola tazanay Ny fitsaharana. Ho avy faingana anie Ny andro soa lehibe, Izay hamelaranao ny lay Handrakotra anay.سەنى مەنەن بولۇۇ جاقشى When the music fades أيها الإله الكلمة ХВАЛИ ГОСПОДА ДУШЕ МОЯ Дəјишмəз ھىيلىگەر تۈن زىندانىدىن Adını Övüyorum mn gẖyr mqạbl Te-aștept Isus de multa vreme Jen v Tebe důvěru mám
Song not available - connect to internet to try again?