He, sambatra ny navelanao Ny helony, ry Jehovah ! Ny otany voasaronao, Ka tsy mba isaina koa ; He, sambatra ny mahitsy fo, Fa azy ny lovasoa. Ny fo nony nampaginiko, Ny heriko nihalany ; Ny ota izay nafeniko No dia nahatonga izany, Ka ketraka ny fanahiko, Nisento sy nitomany. Ny otako dia nambarako, Niantso ny Tompo aho, Niaiky ny fahadisoako, Nivalo sy nitalaho, Ka dia nomeny indrafo, Mba ho afa-keloka aho. Jehovah no fialofako Sy manda miaro ahy ; Ny rano, na dia tondraka, Dia tsy hahatratra ahy ; Ny hobin'ny afa-keloka No ampihirainao ahy. Ry olon'Andriamanitra, Vonjeo ny andro soa, Ny otanao izay miafina, Itsorinao avokoa ; Raha mita ilay ony maizina, Dia aronao ny Tsitoha.Раб Иса Сана Гелдим تەك ماسىحتە ۇمىتتەنەم ВИЖДАМ ИСУС Ты нужен мне больше чем вчера Радостную песнь воспойте в небесах Так тяжко на сердце бывает порою أنا وجدت لأعبدك Жеңімпаз болдық ạ̉mạmk sẖbʿ mn ạlsrwr هللويا أنت نور العالم
Song not available - connect to internet to try again?