He ! sarotra ny lalam- pamonjena Hitanana ny vonjy izay nomena Hamelona hatrao am-parany Ny fitiavana voalohany. Ny maro dia mazàna mankamamy Izao tontolo izao, ka mora lany Ny zotom-po sy finoana Dia tonga tia zava-poana. Malaina izy ka tsy te-hiady Ny ady masina izay maro fady, Ny lalan-tery dia halany, Fa ny malalaka no tiany. Mazàna mety menatra ireny Rehefa voatsindron-toriteny, Fa hitany ny ratsy ao am-po, Kanefa tsy mba te-hiova fo. Ry Jeso, Hianao no tokin'aina, Izay novonoina sy nankahalaina, Omeo ahy faharetam-po, Hiaritra izay anjarako. Raha reraka aho ka misalasala, Dia asehoinao, ry Ray malala, Ny lovako arý an-danitra Hihazona ahy mba haharitra.وزەن جولدان الشاق ەمەس తేనెకన్న తీయనైనది Скоро наш Господь придет но каким тебя найдет Менинг Зўр дўстим бор Avia hankalaza Я увижу во славе Иисуса Uitstap: Forever NG Kruin Istenünk, szent vagy Кутсал, Кутсал, Кутсал พระองค์เป็นทุกสิ่ง
Song not available - connect to internet to try again?