He, tanim-pahazavana be, Tsy misy maizina ao, Ka any tsy mba hitete Ny ranomasonao. Izay voavonjy hiangona ao, Hiara-mihira ny hira vaovao, Ho sambatra any an-danitra, Ao amin'ny Mpanavotra. Moa ao an-danitra ? Eny, ao an-danitra. Ka tsy hisaraka ? Eny, tsy hisaraka ! Ho sambatra any an-danitra Ao amin'ny Mpanavotra. Ry Rainay feno indrafo, Be fitiavana, Omàny ny fanahiko Handray fiainana. Izahay, ry Jesosy, maniry Anao. Fa maty nisolo anay Hianao, Nanavotra anay mba ho afaka. Ka tsy ho voaheloka. Moa dia ho afaka ? Eny, ho afaka. Ka tsy ho helohina ? Eny, tsy ho helohina. Jesosy Mpamonjy nanafaka, Ka tsy ho voaheloka. O, ry Jesosy Tompo ô ! Tsarovy izahay, Ka mba ambino hatrizao Ny fandehananay. Vonjeo ny ondry manaraka Anao Fa otany no namonoana Anao, Ho faly izahay ao an-danitra Ao amim-boninahitra. Moa ao an-danitra ? Eny, ao an-danitra. Ka tsy hisaraka ? Eny, tsy hisaraka. Hiara-mifaly ao an-danitra, Ho feno voninahitra.yòng xiàng shén líng gē chàng Гэй слухай люд Тьма трепещет ТИ СИ МОЯ РАДОСТ Ҡайт балам Когда мой друг ты брата огорчил Вот полночь над горой маслин Господь, создатель неба и земли Panie pragnę czynić wolę Twą شان۔شەرەپ مەدھىيە، رەب ئەيساغا
Song not available - connect to internet to try again?