He, tazako ny lalan-tery, Izay misy fahoriam-be, Kanefa feno hira, re ; Fa na miady, tsy ho very. Ny mino izay mizotra eo, Na misy mafy aza eo, Hahazo lakrona. He, tazako Sakaiza mora, Mpanala fahoriam-be, Mpiaro soa, Mpanome Ny toky tsara isan-ora ; Sakaiza feno herim-po, Mamonjy amin'ny manjo ; Sakaiza tsy manova. He, tazako ny lamba soa Omena ny voavotra Ho fanesoran-keloka Sy fanavaozana azy koa ; Fa Jeso efa nanome, Ny rany sarobidy re, Ho fanadiovana azy. He, tazako ny andro avy, Izay hialako sasatra, Ka ny ririnin'efitra Hanjary lohataona mamy ; Ka any vao hivelatra Ny vonindraozin-danitra Ao amin'ny Edena. He, tazako ny voavonjy Ao amin'ny Mpampakatra, Dia ao an-tampon-danitra, Izay niakaran'ny Mpamonjy ; Miravoravo izy ao, Mihira fideram-baovao Ho an'ny Zanakondry.ข้ารู้แน่พระองค์ทรงพระชนม์อยู่ Come l'aquila Itulah Natal Pertama Құтқарушым ғажапсың, Сені дос деп өтермін В имени Иисуса сладость Slavme Pána s radostí أنا فرحان ạ̉nạ ʿạyzk Месих'и Бизе Гьостер Numai dragostea de Tine
Song not available - connect to internet to try again?