He, tazako ny lalan-tery, Izay misy fahoriam-be, Kanefa feno hira, re ; Fa na miady, tsy ho very. Ny mino izay mizotra eo, Na misy mafy aza eo, Hahazo lakrona. He, tazako Sakaiza mora, Mpanala fahoriam-be, Mpiaro soa, Mpanome Ny toky tsara isan-ora ; Sakaiza feno herim-po, Mamonjy amin'ny manjo ; Sakaiza tsy manova. He, tazako ny lamba soa Omena ny voavotra Ho fanesoran-keloka Sy fanavaozana azy koa ; Fa Jeso efa nanome, Ny rany sarobidy re, Ho fanadiovana azy. He, tazako ny andro avy, Izay hialako sasatra, Ka ny ririnin'efitra Hanjary lohataona mamy ; Ka any vao hivelatra Ny vonindraozin-danitra Ao amin'ny Edena. He, tazako ny voavonjy Ao amin'ny Mpampakatra, Dia ao an-tampon-danitra, Izay niakaran'ny Mpamonjy ; Miravoravo izy ao, Mihira fideram-baovao Ho an'ny Zanakondry.На кресте There were ninety and nine Таронаи Марям Дунёда жуда кўп ҳар хил йўллар бор Фикирлəшдим бир ҝүн мəн, дүнјаја бағланмышам صرت الهوية Přítele jsem našel svého صنع الكل فى وقته Jesús el Buen Pastor Rauhaton ihmissielu
Song not available - connect to internet to try again?