He ! tazana ao an-danitra Vahoaka finaritra Mitafy fotsy, ravo fo, Ka mirana avokoa. Ny vazantany efitra No nielezan-kafatra, Dia tonga izao Ny ory tao, Ka afaka entana. Ny ran'ilay Mpamonjiny Nahafotsy ny ankanjony ; Koa dia ireo Manandra-peo Am-pifaliana. Ho an'Andriamanitra An-tsezam-boninahitra Ny famonjena anie ! Hobin'ny marobe, Ilay Zanakondry avotra No nanafahan-tahotra Izay voaray Ho zana-dRay Hobio mandrakizay ! Ka saotra voninahitra Ho an'Andriamanitra, O, mba derao, Ankalazao, Haleloia ! Amena !Bueno es alabar oh Señor tu nombre تعليق 2 Kom alt Guds frelste folk bʿyn mtḥnnẗ Сəнин мəһəббəтиндəн фəсли - гыш баһар олду Dette er dagen Fii binecuvântat când pământul e săturat I'd Love You to Want Me Колокол сердечный нежно прозвонил 回首再回首
Song not available - connect to internet to try again?