He torimaso mamy No atolory ahy, Ry Raiko Mpiandany, Sy herin'ny fanahy. Ny sandrinao mahery No hiampofo ahy ; Ny masonao mijery, Manala ahiahy. Ny otako androany Koseho, Raiko ô ! Ireo ory mitomany Ampaherezonao, Ny havako rehetra Sy ny sakaiza koa, Tahio tsy hanjoretra Ampifalio tokoa. Ireo sahiran-tsaina Sy mandry fotsy izao Ny kivy, mitaraina Vonjeo, ry Tompo ô ! Ireo marary maro Sy ny mpitsabo koa, Tahio, ry Mpiaro, Arovy tsy ho voa. Hianao no tokinay Ka dia hatory izao Ireto nofonay Am-pelatananao. Sakano re ny ratsy Mba tsy hamely izao Ry Jeso Mpiambina ahy Sy voninahitra ô !ạ̹nt mḥbwb fy ạlmsyḥ اسماندا كىمىم بار مەنىن؟ سەن ىيسا Rab kutsalsin الخطية عملت سحابة Chcę przy Tobie zostać, Panie Tutti insieme cantiamo Масиҳда Топганларим أنا خارج اجايىپ، كەرەمەت اسماندا JEDNO DNES POVEDAŤ CHCEM
Song not available - connect to internet to try again?