He ! tsara ny fonenanao, Andriamanitra ô ! Ziona tendrombohitrao, Tanàna masina ; Ka iza no hiakatra ao ? Izay mahitsy fo, Izay madio tànana, Izay manao ny to, Ka mino ny Mpanavotra, Ireo hiakatra ao ! Mba misandrata faingana, Ry varavarana ! Hidiran'ny Mpanjakanay Be voninahitra. Moa iza izao Mpanjaka izao ? Andriamanitra Mahery sy mandresy koa, Mpanjaka masina ; He, Izy 'Lay Mpanjakanay Be voninahitra. Miantranoa, Tompo ô ! Mba hifalianay ; Voavoatra ny tranonao, Midira aminay ! Jehovah no Mpanjakanay, Mpanjaka tianay : Ny hery, voninahitra, Sy ny fisaorana, Anao tokoa, ry Tomponay, Mandrakizay doria !I saw the light ạ̉nạ mstʿd كل حاجة تعبت فيها Пророки сказали что времени нет Chi è il tuo eroe? No sé por qué Živý je Pán Polska od morza do tatr هيا بفرح نشدوا للرب Teba milujem
Song not available - connect to internet to try again?