He, vetivety ny atý an-tany, Fa trano lay no itoeranao ; Ka aza ketraka na mitomany, Fa andrandrao ny tanindrazanao. He, vetivety ao an-dalan-tery No mahasarotra ny dianao, Ka aza kivy, fa Ilay Mahery Mamboa-trano hitsaharanao. He, vetivety ao an-tany maina No mahabe ny fijalianao, Ka dia ho hitanao ny ranon'aina Hahafaka ny hetahetanao. Arahonao ny lalan-toratady, Mba hahafaingana ny dianao ; Jesosy Tomponao no vavahady, Ny lanitra no hovantaninao. He, vetivety ary dia ho hita Ny tany soa mandry fahizay ; Jesosy ô, faingàna hahavita Ny fikasanao tsara aminay !سكيب الروح Тебе Творця світів, просторів Gepriesen sei der Herr lys lnạ Tuhan, Kami Berlumuran Dosa Tayyormisan nfsy yạ rby wdh sẖwq qlby Un día caminé en soledad يسوع بيدور ạ̉smạʾ ạllh
Song not available - connect to internet to try again?