He, vetivety ny atý an-tany, Fa trano lay no itoeranao ; Ka aza ketraka na mitomany, Fa andrandrao ny tanindrazanao. He, vetivety ao an-dalan-tery No mahasarotra ny dianao, Ka aza kivy, fa Ilay Mahery Mamboa-trano hitsaharanao. He, vetivety ao an-tany maina No mahabe ny fijalianao, Ka dia ho hitanao ny ranon'aina Hahafaka ny hetahetanao. Arahonao ny lalan-toratady, Mba hahafaingana ny dianao ; Jesosy Tomponao no vavahady, Ny lanitra no hovantaninao. He, vetivety ary dia ho hita Ny tany soa mandry fahizay ; Jesosy ô, faingàna hahavita Ny fikasanao tsara aminay !Mindent kegyelemből Белая фата Keď mám pred očami องค์พระเจ้ายิ่งใหญ่ Mighty is Our God sẖkraⁿạ Otwórz me oczy, o Panie Слаще вина как сотовый мёд Tonga ny andro malaza Táńir Ózi kókten túsip, jer betine keledi Aina no fetra ry Jesosy Tompo
Song not available - connect to internet to try again?