He ! vokatra ny tany, Jehovah Tompo ô ! Fa be tsy mety lany Ny hasoavanao : Ny andro fararano No ifalianay ; Voataona ao an-trano Ny vokatra azonay : Saotra tsara entinay Ho Anao tokoa, Ny olonao rehetra izao Mifaly avokoa. Ny tany tsy misaona, Fa sambatra tokoa, Tsy tapaka isan-taona Ny fanomezan-tsoa ; Endrey, nahazo maina Izao rehetra izao ; Ny zava-manana aina Mifaly Aminao : Saotra tsara ..sns. Tontosa izay nirina, Nahazo izahay, Fa misy taona zina Nataonao ho anay ; Tsy diso isan-taona Ny fitahianao. Ny olonao mihaona Mba hankalaza Anao Saotra tsara ..sns.Ta radość, którą daje Bóg Tu sei Santo ЬОвгюлер Олсун ʿẓym ạ̉nt sydy Измени меня Sul volto in un attimo Бүх хүч чадал Пісня подяки Незнакомая песня Merhamet etmeyeceksin
Song not available - connect to internet to try again?