Henoy ny antson'ny Tompo ; « Iza no ho irakay, Vonon-kandeha sy hanompo, Hiasa an-tany hay ? » Adidy sarotra hefaina Asa mangetana re, Maty handritra ny aina, Iza no vonona re ? Tsy didy miendrika baiko Nefa mahery tokoa ; Nanindry mafy ny saiko Ny antsonao, Tompo soa Satriko lavina anefa Manery ahy hanoa, Any am-po no miantefa, Ny ako, onjany koa. Inty, ry Tompo malala Izaho ho irakao, Nofo ka misalasala Raha toa tsy tohananao. Ny foko omeo fahendrena Hanao ny sitrakao, Ny saiko mora mivena Fenoy ny hasoavanao. Vonona ka hamasino Hanefa ny irakao ; Eny, ry Tompo, vimbino Handia ny lalanao. Sarotra nefa hataoko Ny asa atolotrao, Ny sitrapo dia hafoiko, Tohano ny herinao. NY HIRAN'NY ANKIZYCristiani ʿạyz ạ̉kwn msyḥy ḥqyqy 耶稣基督是我的盾牌 ạlrb ʿạl fwq ạljbạl Bůh má tě rád عزیزِ من حذر از نور ایمان میکنی تا کی Il mio Redentore vive Hianao ry Jeso o Берген уәдесі мәңгі болады Duchu Svätý, príď z neba
Song not available - connect to internet to try again?