Henoy ny antson'ny Tompo ; « Iza no ho irakay, Vonon-kandeha sy hanompo, Hiasa an-tany hay ? » Adidy sarotra hefaina Asa mangetana re, Maty handritra ny aina, Iza no vonona re ? Tsy didy miendrika baiko Nefa mahery tokoa ; Nanindry mafy ny saiko Ny antsonao, Tompo soa Satriko lavina anefa Manery ahy hanoa, Any am-po no miantefa, Ny ako, onjany koa. Inty, ry Tompo malala Izaho ho irakao, Nofo ka misalasala Raha toa tsy tohananao. Ny foko omeo fahendrena Hanao ny sitrakao, Ny saiko mora mivena Fenoy ny hasoavanao. Vonona ka hamasino Hanefa ny irakao ; Eny, ry Tompo, vimbino Handia ny lalanao. Sarotra nefa hataoko Ny asa atolotrao, Ny sitrapo dia hafoiko, Tohano ny herinao. NY HIRAN'NY ANKIZYАР-БӰТКЕНИ БАЙЛЫК ЈАЙАЛГАН Сән мениң ғурурумсән! Pengikut Kristus, Nyanyilah qrbk rby yswʿ Иерусалим O worship the King / Houghton / Hanover المسيح قام Bože můj, chci Tvým být stále Love, Love, Love, Love. The gospel in a word is love Tak nádherná je chvíľa tá
Song not available - connect to internet to try again?