Hianao, ry Jehovah no Rainay tokoa, Ka manatona Anao izahay, Ary Jeso no Hava-malalanay koa. Dia matoky Anao ny fonay, Mivoria ry ondry madinika ô ! Mba ho ao am-pisokoanio ; Mihainoa ny feon'ny Mpiandry izao O, faingàna, modia hianao. Eny, mamy tokoa ny mihaino Anao Ry Mpamonjy mpanavotra Anay ! Fa Sakaiza malala tokoa Hianao, Te hihaino Anao izahay, O ! andeha, rankizy madinika e ! Fa miantso Jesosy erý, Mahafaly antsika ny teniny Hoe : « Avelao izy mba hankatý ! » O ! ry Tompo tsy toha ! Tsinjovy 'zahay, Fa masiaka ny lion-dozabe, Ka manenjika mba hahafaty anay Sy mihaza ny ain-dehibe, Mitsangàna, zaza madinika ô ! Mandosira ny loza etý Manatòna an'i Jeso Mpamonjy izao, Ka modia ho an-danitra arý.Бывают в жизни трудные минуты Santo Santo Santo Di Dalam Kristus Bertemu Все народы и все творенья கல்வாரி அன்பை எண்ணிடும் வேளை Ascoltami un attimo Pregăteşte-mi Tu Isuse Život krásny je เรากราบนมัสการ พระเยซูจอมกษัตรา
Song not available - connect to internet to try again?