Hianao, ry Jehovah no Rainay tokoa, Ka manatona Anao izahay, Ary Jeso no Hava-malalanay koa. Dia matoky Anao ny fonay, Mivoria ry ondry madinika ô ! Mba ho ao am-pisokoanio ; Mihainoa ny feon'ny Mpiandry izao O, faingàna, modia hianao. Eny, mamy tokoa ny mihaino Anao Ry Mpamonjy mpanavotra Anay ! Fa Sakaiza malala tokoa Hianao, Te hihaino Anao izahay, O ! andeha, rankizy madinika e ! Fa miantso Jesosy erý, Mahafaly antsika ny teniny Hoe : « Avelao izy mba hankatý ! » O ! ry Tompo tsy toha ! Tsinjovy 'zahay, Fa masiaka ny lion-dozabe, Ka manenjika mba hahafaty anay Sy mihaza ny ain-dehibe, Mitsangàna, zaza madinika ô ! Mandosira ny loza etý Manatòna an'i Jeso Mpamonjy izao, Ka modia ho an-danitra arý.Бютюн Йюреинле Angkat Hatimu Моя надежда в Господе живёт Чух Сладкия Исусов глас Krisztus valóban feltámadott Дайте смъртни вси внимание Even So Come En todo tiempo alabaré Все небеса да хвалят Воскресшего Du Rocher de Jacob
Song not available - connect to internet to try again?