Hianao, ry Kristy Tompo, No hasiniko izao, Avy aho, fa mpanompo, Hiankohoka Aminao, Raiso re ny dera saotra Tena mendrika ho Anao ; He ! ny foko faly loatra, Faly mba hanaja Anao. Izao no tena faniriako : Ny ho velona Aminao, Ka hitoeranao ny foko, Fa tsy holalovanao ; Eny, Tompo ô ! monena, Mba monena ao tokoa, Izay no tena famonjena Izay no mahafatra-po. Tsy ho orin-java-tsoa Izay rehetra itoeranao, Tena sambatra tokoa, Raha ny fo no lapanao, Mandrosoa, fa vohako Ho Anao ny foko izao ; Eny, Tompo, fa vohako, Koa midira Hianao.Minnatdorman meni yaratganingga Strhni Ma ạ̹lhnạ ʿẓym ạ̹lhnạ ạ̉myn Io viaggio verso lassù Пальцем Всё совершил Вяра, надежда, любов Aure Na Masu Bi, Aure Ne Mai Tsarki Menoparole Ручьем святая кровь течет
Song not available - connect to internet to try again?