Hitako izao, sakaiza, Ny fahasambarana, Ka ny foko faly, ravo, Manam-piadanana. Teo am-pototry ny hazo Nijalian'ny Tompoko, Teo aho no nahazo Famelana heloka. He ! ny indrafo niriko, Efa azoko tokoa, Ka Jesosy no fidiko, Fa Izy fototry ny soa, He ! ny rany sarobidy, Nanadio ny otako Izaho efa voavidy. Lanitra no lovako. Tena soa mahagaga Izao nomenao ahy izao, Fa izaho izay mpanota, Dia nohavaninao ; Ka izaho dia hidera Izato fitiavanao Ary koa hanambara, Jeso ô ! ny herinao. Ry Mpamonjy ô ! mba raiso Izao fisaorako izao ; Ka izay rehetra ahy Dia atolotro Anao, Raha tonga re ny fetra Hialako sasatra, Ento aho hitoetra, Eo anilanao arý.Xudo Kalomin Ty jsi miloval spravedlnost Гьозлерим Сени Аръйор ЗАПАЛИ В МЕН КОПНЕЖ КЪМ СВЯТОСТТА Бир хиласкарым вар È Cristo che vive هوذا قد صار Есть ведь чаша утешенья Mi Cristo, mi Rey Alleluia Gesù vive
Song not available - connect to internet to try again?