Hitako izao, sakaiza, Ny fahasambarana, Ka ny foko faly, ravo, Manam-piadanana. Teo am-pototry ny hazo Nijalian'ny Tompoko, Teo aho no nahazo Famelana heloka. He ! ny indrafo niriko, Efa azoko tokoa, Ka Jesosy no fidiko, Fa Izy fototry ny soa, He ! ny rany sarobidy, Nanadio ny otako Izaho efa voavidy. Lanitra no lovako. Tena soa mahagaga Izao nomenao ahy izao, Fa izaho izay mpanota, Dia nohavaninao ; Ka izaho dia hidera Izato fitiavanao Ary koa hanambara, Jeso ô ! ny herinao. Ry Mpamonjy ô ! mba raiso Izao fisaorako izao ; Ka izay rehetra ahy Dia atolotro Anao, Raha tonga re ny fetra Hialako sasatra, Ento aho hitoetra, Eo anilanao arý.Ty ľúbiš ma, Pán môj ด้วยโลหิตที่เปลี่ยนแปลงใจ 내 영이 주를 찬양합니다 دبلة وطرحة Zapálení kào zhǔ jīn tiān huó de xiāo sǎ yòng wǒ men de rè qíng 天父啊我现在向你跪下 يا لعمق حب ربي Where He Leads Me
Song not available - connect to internet to try again?