Hitako izao, sakaiza ! Jeso no Mpanavotra : Tsy mba lany ny fitia, Jeso no Mpanavotra ; Na dia saiky lasa aza, Ka ny olona mandao, Izao no mampiadana ahy, Jeso no Mpanavotra. Raha miasy mafy aho, Jeso no Mpanavotra : Toky sy Ampinga Izy, Jeso no Mpanavotra ; Manome ny soa Izy, Fa ny rany mahadio No mahafa-keloka ahy, Jeso no Mpanavotra. He ! ilaozako ny eto, Jeso no Mpanavotra : Indro lanitra no azo, Jeso no Mpanavotra ; Izy no Mpamonjy ahy, Aina sy fanilo koa, Fahendrena mahasoa, Jeso no Mpanavotra. Ray ô ! Hianao deraiko, Jeso no Mpanavotra : Hianao naniraka Azy, Jeso no Mpanavotra ; Hianao Mpiaro ahy, Mpitahiry, Tokiko, No deraiko lalandava, Jeso no Mpanavotra.Ti curerò Бикиньыс уна, югыдыс ӧти Өзүн Ыйсага арнап койгон Лампата си запали, нека да гори Ellerimi Sana Acıyorum Бир заманлар ҝүнаһда ҝəзирдим, инан ทูตสวรรค์เบื้องบนบรรเลง Bønnen har en veldig makt Ексиим Олмаз Христос основа Церкви
Song not available - connect to internet to try again?