Hitsahatra aina, ry foko, izao ? Ka iza ataonao hiaro anao ? Ny tany va misy hitsaharan' ny fo, Na lova tsy simba, tsy mety ho lo ? Tsia, tsia, tsy mba atý izany, Fa any an-danitra erý. Afoizo ny tany izay manindao Katsaho ny lanitra ho lovanao Jerosalema any, tanàna vaovao Sy tsara tokoa, miandry anao, Eny, eny, ao dia ao No misy tokoa fonenam-baovao. Ny mponina ao dia tretrika am-po. Fa resy ny ota, mahery ny tò Ka faly midera ny Tompo ny ao ; Ny mino hihira ny hira vaovao ! Indro, indro, be dia be tokoa Ny soa ao an-danitra ao re !قۇداي ٴسوزىن بەردى Ja wiem, że żyje mój Pan Les livres de la bible Не змарнуй Это Иисус тебя зовет ОТЧЕ, МОЙ ОТЧЕ مين هيقدس الله الذي لنا Когда печаль холодной болью вьюжит 主知道
Song not available - connect to internet to try again?