Ho aiza, ho aiza izao hianao Ry havako izay mbola tia Ny fomban'ny nofo manimba anao ? Avia ry olo-mania ! Henoy fa miantso ny Tompo. Ho aiza, ho aiza izao hianao, Ry havako mbola tamana Ao amin'izao fivelomana izao, Ka fatra-pikiry hitana Izay zavatra halan'ny Tompo ? Hevero fa tsy mba mahafaka anao, Ka tsy mba heken'ny Mpitsara Ny fahamarinana ao aminao ; Ny an'i Jesosy no tsara, Ka dia katsaho ny Azy. Ekeo ny tenin'ny Tompo soa Inoy ny toky nomeny, Ka dia ho hita ny lalam- baovao, Izay voatoron'ny teny : Jesosy no lalana tsara.Keď sa Kristus na zem vráti Keraksan Za opatrovanie dobré Keď cesta za Pánom Հիսուս, Դու Հրաշալի Տեր ես rḍy by wḥn ʿly Единственный друг Yeshua İşte Ruh ve Gelin Il mondo è a colori
Song not available - connect to internet to try again?