Ilay Boky izay nodorana Dia may, nefa tsy levona ; Izay natao ho lavenona, Lasa vato fanorenana ; Noheverina ho foana, Kanjo mainka koa velona ; Ilay nafenina, nalevina No nisandratra, nivelatra ! Iza moa no hahasakana Eny, iza no hanohitra Ilay teny voasoratra, Dia ny tenin'Andriamanitra ? Izao rehetra izao ho levona Fa ny Teny dia haharitra. Rasalama nolefonina Nisy hafa koa nodorana Hantsana no namarinana, Tora-bato: fahafatesana Dia tao ireo nampinomina, Noterena mba hiozona : Moa izany nampivadika Kristiana be finoana ? Valin-teny voasoratra Nentiny nandresy lahatra Feo tony, tava mirana, Feno hery, hasambarana : « Tsy mba misy atahorako Afa-tsy Hianao, ry Tompoko ». Ilay teny masina sy to Manambara ny Mpamonjiko, Tena saro-bidy ao am-po, Ka vakiko sy ianako. Fifaliako, fiarovako, Fahazavana ao an-dalako ; Koa tanako ho lovako Sy isaorako ny Tompoko, Maty aho, nefa velona Fa Kristy no ahavelomako, Maty Izy, nohomboana, Noho ny fahotana vitako Nefa Izy dia natsangana, Santatry ny hitsanganako.Il nome santo è Gesù (Maria Lucia Pereira Martins) KEI CA JESUH A SI yé hé huá shì shén إلقاء 7 قۇدايدىڭ ۇلى يسا Господь, если солнце зайдёт и холодно станет в душе Апостол Павел O zi în casa Ta Părinte qạblạ ḥml ṣlyby Ҝөјлəрин Елчиси
Song not available - connect to internet to try again?