Ilay Boky izay nodorana Dia may, nefa tsy levona ; Izay natao ho lavenona, Lasa vato fanorenana ; Noheverina ho foana, Kanjo mainka koa velona ; Ilay nafenina, nalevina No nisandratra, nivelatra ! Iza moa no hahasakana Eny, iza no hanohitra Ilay teny voasoratra, Dia ny tenin'Andriamanitra ? Izao rehetra izao ho levona Fa ny Teny dia haharitra. Rasalama nolefonina Nisy hafa koa nodorana Hantsana no namarinana, Tora-bato: fahafatesana Dia tao ireo nampinomina, Noterena mba hiozona : Moa izany nampivadika Kristiana be finoana ? Valin-teny voasoratra Nentiny nandresy lahatra Feo tony, tava mirana, Feno hery, hasambarana : « Tsy mba misy atahorako Afa-tsy Hianao, ry Tompoko ». Ilay teny masina sy to Manambara ny Mpamonjiko, Tena saro-bidy ao am-po, Ka vakiko sy ianako. Fifaliako, fiarovako, Fahazavana ao an-dalako ; Koa tanako ho lovako Sy isaorako ny Tompoko, Maty aho, nefa velona Fa Kristy no ahavelomako, Maty Izy, nohomboana, Noho ny fahotana vitako Nefa Izy dia natsangana, Santatry ny hitsanganako.Ulugʻlangin o Iso Оршээл сенде بتفهمني S láskou Only You mạyqdrsẖ ḥd ạ̉bdạ Plonge-moi dans ta rivière Sa-nalt jertfa Ta Isuse tʿbnạ ṭwạl ạllyl mạt rby
Song not available - connect to internet to try again?