Indreto izahay mitomany, Fa be alahelo ny fo ; Ny ota no fototr'izany, Ny heloko sy ny manjo ; Fa reraka re, ny fanahy, Mahantra sy be ahiahy, Ka tena variana erý. Ry Tompo, Izay mofon'ny aina, Ry rano mamelona anay, Tsinjovy izay mitaraina, Mahantra izao izahay ! Onòny ny fonay fa voa, Omeo izay mahasoa, Monena aminay Hianao. Ny fonay dia be hetaheta, Maniry indrindra Anao ; Ry Tompo, mba mampahareta Anay ho mpanaraka Anao ; Ny reraka ataovy mahery Vonjeo izahay olom-bery ; Matoky Anao izahay !Жила-была девочка Nu, nu suntem un vis si-o intamplare Господь есть мой свет Божьи дети Ты Отец мой небесный Kto wiary spojrzenie skieruje na krzyż rwḥ ạllh ạ̉mlạ̉nạ Dieu fidèle Nech tvoj Duch preteká Už vidím s plesaním
Song not available - connect to internet to try again?