Indrisy ! ry sakaiza ory fo ! Holazainao aiza ny manjo ? Jeso no Mpamonjy ho anao ; Izy mahavonjy, ambarao // Azy, ry tra-bonjy ! ny manjo ao am-po // Indrisy ! ry mahantra ! lozanao ; Aiza ny Mpiantra ? Indro ao ; Jeso hanazava aizim-po, Izy hampisava ny manjo ; // Soa lalandava No hatao aminao // Harena be an-tany tsy anao ; Zava-mora lany ka mandao, Nefa indro Jeso Zaranao ; Hira no venteso, ka derao // Izay nataon'i Jeso Ho anao hatrizao // Ny lanitra mivoha rahateo ; Andrandrao ny loha ka jereo ! Jeso Tompo soa no arý, Havanao tokoa hatretý ; // Dia mazotoa Hiditra ao Hianao //Превознесу я Cantarea arcului في مدرسة المسيح Sej vzácne šťastie! هوذا ما أحسن Мы что-то теряем تازالاپ مەنى ارىلتتىڭ مۇلدە كۇنادان Gloria A Cristo bạsm ạlqdws Тримай удар
Song not available - connect to internet to try again?