Indro, ny Fitiavana nijaly Teo amin'ny hazo-fijaliana ; Ary ny ratsy nivonona hifaly, Handresy ny Zanaka-lahy Tokana. Indro, ny Fitiavana mahery, Nitondra ny heloky ny olony ; Izy niady hanafaka ny very, Ny ainy no avotra ka natolony. Izy nijaly mafy tao Golgota, Voahombo ny tongotra aman-tanany ; Izy nisolo antsika izay mpanota Ka fadiranovana ny fanahiny. O, ry Mpamonjy, mba hazony aho Hijery ny hazo-fijaliana ! Olona meloka aho ka afaho, Hialoka amin'ny fitiavanao !Venite a me shén yào yī zhì zhè kuài tǔ de 合一相爱 Rabbim mening Salmo 100 У тебя есть крылья за спиной Trwa jeszcze łaska Boża Rabbim qaytib kelar Jezusowi chcę śpiewać ku chwale Por Estos Alimentos Dios
Song not available - connect to internet to try again?