Indro, Tompo, misy trano Izay namboarinay ho Anao, Angatahanay tsodrano, Itokananay ho Anao Tompo ô, mba hamasino Ho fihaonana Aminao, Ho tempoly tian'ny mino Fivavahana Aminao. Diovy, Tompo, mba ho trano Izay hajaina ho Anao, Ka omeo sy itokano Mba ho fideràna Anao. Tompo masina ô, idiro Mba ho mendrika Anao Ka aoka Hianao ho jiro Izay hamirapiratra ao. Mba tahio, ry Ray Mpitahy, Ho tempoly masinao Ho Betelan'ny fanahy, Vavahady ho Aminao. Itoero, mba ho kianja Mahamanina ny fo, Mba ho trano mendri-kaja, Mampivavaka ny fo. Mandrosoa ka midira Ho mpanjaka tokana ao Ka ny vavaka sy hira Mba tahio ho sitrakao, Nefa tsy ny trano ihany No atolotray, ry Ray, Indro koa mba itokany Ho Anao ny tenanay.Мой Бог не подведёт Мой Покров There Shall Be Showers of Blessing Savaş Var, Kilise, Şeytana Karşı! Men erkin boʻldim Nuovi cieli e nuova terra Iysa kelgen kúni کیم مِن؟ hdẖạ hw ạlywm ạlsʿyd De la muerte y su imperio
Song not available - connect to internet to try again?