Injany hiran-danitra Misasak'alina ; Lokanga volamena e, Tendren'ny masina ! Ny tany dia nangina re, Nandre ny hira vao : Ho an'ny olona anie Ny fiadanana. Ny hiran'ny anjely re Tsy mba mitsahatra. Ary ambony rahona Ireo masina Mitendry ny lokangany Am-pihobiana ! Ho an'ny olona anie Ny fiadanana ! O ! ry mivesatra entana, Ry malahelo ô ! Mba andrandrao ny lanitra, Henoy ny hira vao ! Ny hiran'ny anjely re Dia mampiadam-po. O ! mitsahara hianao Hihaino azy izao ! Ny andron'olombelona, He fandalovana ! Kanefa hisy tany vao Izay haharitra. Endrey ny fiadanana Arý rahatrizay ! Ny hiran'ny anjely Hiredona indray !tḥt ạlṣlyb bạrkʿ Эзэн эвлэрэл O čom tento svet sní سلامك فاق العقول بحب مصر وبصلى Naplň nás, Pane, milostí Yo mucho me alegré Der finnes så mange KA RA LIO ạtbʿny fy dẖy ạlḥyạẗ
Song not available - connect to internet to try again?