Inoantsika marina Ny Mpamorona Tsitoha, Isika dia natsangana Mba ho zanany tokoa, Hanina sahaza omeny, Ary be ny famonjeny, Amin'ireo loza maro Dia Izy no Mpiaro ; Inoantsika ao am-po Fa Izy marina sy to. Jesosy Kristy Zanany No inoantsika koa ; Isika dia fananany, Fa navotany tokoa, Izy Zanak'i Maria, Dia rahalahy tia ; Maty ka natao ho very, Fa nitsangana amin-kery, Niakatra ao an-dapany, Hitsara ao am-parany. Ka ny Fanahy Masina No inoantsika koa, Ny fiangona-masina No naoriny tokoa ; Ao isika dia mahita Famonjena efa vita ; Afaka ny helotsika, Fo vaovao no raisintsika ; Isika dia hatsangana Ho velona ao an-danitra.صممت أني Kap Lai Hai ing Ka lạ mtẖl lk yạrb تعال إلهي عايشين ไม่มีการร้ายใด (สดด. 91) Улугбек 2005 минус 21 Славные руины Tanora o! Ny Nosindrazanao Gratitudine (Tiélly Lovo)
Song not available - connect to internet to try again?