Inoantsika marina Ny Mpamorona Tsitoha, Isika dia natsangana Mba ho zanany tokoa, Hanina sahaza omeny, Ary be ny famonjeny, Amin'ireo loza maro Dia Izy no Mpiaro ; Inoantsika ao am-po Fa Izy marina sy to. Jesosy Kristy Zanany No inoantsika koa ; Isika dia fananany, Fa navotany tokoa, Izy Zanak'i Maria, Dia rahalahy tia ; Maty ka natao ho very, Fa nitsangana amin-kery, Niakatra ao an-dapany, Hitsara ao am-parany. Ka ny Fanahy Masina No inoantsika koa, Ny fiangona-masina No naoriny tokoa ; Ao isika dia mahita Famonjena efa vita ; Afaka ny helotsika, Fo vaovao no raisintsika ; Isika dia hatsangana Ho velona ao an-danitra.Отче смиряюсь Keď vstávam nad ránom ليس مثلك يا رب جەر بەتىندە Если ты друг мой призовешь Nim jeszcze światy powstały Uwielbijmy Boga naszego Ivi Vita Vimekoma İsa həyat çeşməsidir, çağlar hər an qəlbimizdə Ideme v ústrety
Song not available - connect to internet to try again?