Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Fahoriana ve, sa ahiahy ? Fahantrana, sa famoizam-po ? Tsia, ry Jeso Tompo be fitia, Izaho tsy mivadika Aminao Fa mandrakizay doria doria Izaho dia hanaraka Anao. Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Zo sy laza sy fakam-panahy ? Sa harena, zava-mora lo ? Tsia, ry Jeso ..sns. Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Sabatra, sa fanenjehana mafy ? Sa mosary, ady be manjo ? Tsia, ry Jeso ..sns. Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Faty ve no hampivadika ahy, Loza, hery, fahefana koa ? Tsia, ry Jeso ..sns. Eny, izao rehetra izao, ry Tompo Tsy mba hahasaraka Aminao ! Na inona hanjo ity mpanompo Dia hijoro, tsy handao Anao ! Velona aho, Tompo, eny maty Dia tsy mivadika Aminao ! Hianao no velona ao anaty, Ka doria, ny foko ho Anao !Ты услышь меня мой Бог باختارك حق باين THE SONG OF THE SOLDIERS ạ̉jry ʿlyk كملح في الأرض Han har den hele vide verden i Sin Hånd La Tua immagine إيرو لْه باژارِه داوْد ạlmsnạ ạlận lndkẖln lmḥḍr ạlmlk
Song not available - connect to internet to try again?