Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Fahoriana ve, sa ahiahy ? Fahantrana, sa famoizam-po ? Tsia, ry Jeso Tompo be fitia, Izaho tsy mivadika Aminao Fa mandrakizay doria doria Izaho dia hanaraka Anao. Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Zo sy laza sy fakam-panahy ? Sa harena, zava-mora lo ? Tsia, ry Jeso ..sns. Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Sabatra, sa fanenjehana mafy ? Sa mosary, ady be manjo ? Tsia, ry Jeso ..sns. Inona no hahasaraka ahy Amin'ny fitiavanao, Jeso ? Faty ve no hampivadika ahy, Loza, hery, fahefana koa ? Tsia, ry Jeso ..sns. Eny, izao rehetra izao, ry Tompo Tsy mba hahasaraka Aminao ! Na inona hanjo ity mpanompo Dia hijoro, tsy handao Anao ! Velona aho, Tompo, eny maty Dia tsy mivadika Aminao ! Hianao no velona ao anaty, Ka doria, ny foko ho Anao !จงเฝ้ารอคอยพระองค์ Когда я в житейских волнах утопаю Alma Bendice Al Senor ربي حبيبى الغالي عليَّ ᠦᠢ ᠲᠦᠮᠡᠨ ᠰᠢᠯᠲᠠᠭᠠᠨ ạrjʿ yạ qlby أجهل ما سوف يأتي Önce Sen Geldin Bana Adorons le Seigneur Инсан билмир нə ејлəсин,дəрдини кимə сөјлəсин
Song not available - connect to internet to try again?