Inty aho Jesoa ! Miantso ahy Hianao Na dia tsy mendrika e Manolo-tena izao Hianao no nifidy Tsy haiko ny handà 'Ty antso sarobidy Ry Tompo, mamelà Ny heloko rehetra Diovy aho, havaozy Ho olom-baovao Hanao ny sitrakao Ho mendrika tokoa Ny antsonao Jesoa. Inty aho Jeso miantso ahy Hianao Ny fahalemeko anie Ry Tompo fantatrao Hianao no nifidy Sy maniraka ahy Avy Aminao Jesoa Ny herin'ny fanahy Ho entiko manao Ny asa atolotrao Fa sarotra e ny dia Ry Tompo manampia Ho mendrika tokoa Ny antsonao Jesoa Inty aho Jesoa Miantso ahy Hianao Mba ho fahazavan' Izao tontolo izao Hianao no nifidy ahy Ho fanasina Hanefa ny adidy Lehibe sy masina Koa hamasino, Tompo Fa vonona aho hanompo Hombay ny herinao Hitondra aim-baovao Ho mendrika tokoa Ny antsonao Jesoaข้อสรรเสริญ 恳求你主 主在催促你我 Самавий йол билән Kruin: Oorwinningslied Учитель мой не оставляй меня Прад Табой схіляюся, мой Валадар Tested, Jézus Gesù t'ama Спаситель Жаждет петь мой дух
Song not available - connect to internet to try again?