Ireo didinao, Jehovah Ray ; Izay tianao hankatoavinay Dia rehareha sy voninahitra, Satria filamatry ny ao an-danitra. Ilaina mba hiseho fa tsy hiery, Ho fisintonana ireo izay very, Fa antoky ny fiainanay, Hatramin'izao, mandrakizay. Ny fitsipikao, Tomponay Izay nomenao mba harahinay, Dia mampifantina izay anjara soa Ka manamboatra sy manatsara, Mampisy endrika itony tena Sy manazava ny firenena, Ka antoky ny fiainanay, Hatramin'izao, mandrakizay. Ireo teninao, Jesosinay No hany zavatra ivelomanay, Fa tanjaka tokoa, tena hery be Hahafahanay ny lalana mideza re, Sakafo mahavelona ny aina, Sy mampiravo tokoa ny saina, Tena antoky ny fiainanay, Hatramin'izao, mandrakizay.Som spasený hyạ bfrḥ nsẖdwạ Ny feonay rehetra izao Аллаһым, Аллаһым, Аллаһым Оживляешь вновь عيني بصت ع الصليب Ако съм във Теб О если б Ты расторг небеса Жолугушуу менен коштошуудан خلي الصدق جناحنا
Song not available - connect to internet to try again?