Ireo didinao, Jehovah Ray ; Izay tianao hankatoavinay Dia rehareha sy voninahitra, Satria filamatry ny ao an-danitra. Ilaina mba hiseho fa tsy hiery, Ho fisintonana ireo izay very, Fa antoky ny fiainanay, Hatramin'izao, mandrakizay. Ny fitsipikao, Tomponay Izay nomenao mba harahinay, Dia mampifantina izay anjara soa Ka manamboatra sy manatsara, Mampisy endrika itony tena Sy manazava ny firenena, Ka antoky ny fiainanay, Hatramin'izao, mandrakizay. Ireo teninao, Jesosinay No hany zavatra ivelomanay, Fa tanjaka tokoa, tena hery be Hahafahanay ny lalana mideza re, Sakafo mahavelona ny aina, Sy mampiravo tokoa ny saina, Tena antoky ny fiainanay, Hatramin'izao, mandrakizay.أنت في العلى أقدر надежда Som tvoj Con gli angeli loderai Lurianne: Little boys, little toys WORTHY TO PRAISE ۅمۉرلۅر ۇچقۇن سىياقتۇۇ Завет Îți mulțumesc Isuse Ție că ești atâta de milos Nu esti învins cât timp credinţa
Song not available - connect to internet to try again?