Irinay Jeso tia, Mpanota izahay, Ka misy alahelo Atý anatinay ; Irinay ny Mpamonjy Hiseho ho anay, Hanafaka ny ota Mba hifalianay. Irinay Jeso tia, Mba hanazava anay, Fa maizina ny sainay, Ka diso izahay ; Irinay Jeso Kristy Hanolo-trsaina anay, Irinay Jeso hendry Mba hianaranay. Irinay Jeso tia, Ho tonga aminay, Hiantra sy hiaro Sy hanadio anay ; Na dia malemy aza Ka reraka izahay, Rehefa voavonjy, Matanjaka izahay. Ry Tomponay malala ! Ry Jeso tianay ! Ry Havanay mahery ! Ry Rahalahinay ! Vonjeo izahay mpanota Miankina aminao, Tahio izahay mahantra Mivavaka aminao.Ne Mutlu O İnsana Ki أدنو إليك ПЪТ ПРАВИШ La gioia Mne meno Ježiš vzácne je ʿlmny ạ̉ntẓrk yạ rb Ходайның Рәсуле туды Թեև Թզենին Չծաղկի,Որթերին Էլ Բերք Չլինի Mä tiedän tien Кўргим Келади Зоҳира Опа Сўз
Song not available - connect to internet to try again?