Isaoranay Anao, Ry Tomponay Tsitoha, Ny nanomezanao Mpiasa mahasoa. Ka nony vao nandre Ilay antso taminao, Dia roso ka nandeha Nanao ny asanao. Natokanay ho Anao, Ny taona maro be ; Ilay fitiavanao, Nataony rehareha. Na nisy ny manjo, Tsy kivy sanatria Hianao ilay ao am-po Nanao hoe: « Matokia ». Izay nataony anie, Hambininao tokoa, Hitombo be dia be Hitera-boka-tsoa, Hianao Ilay Tompo tia No angatahanay ; Tongava, manampia Izay vitany ho anay. Ka mba tsinjovinao, Sikino hery indray, Ity mpanomponao, Anio sy rahatrizay, Ilay teny taminao Ho aminy anie ; Mpanompo sitrakao Satria nahefa be.Каинатни яратқан (Тиләкләр 2) ทางใดในโลกาที่ท่านเฝ้าหาทางใด Бывают мгновенья Veniţi căci vreau a spune Господи Тобой душа согрета hl jlst fy hdwʾ - ṭryq ạlḥyạẗ يا إلهي قد خلقتني كاملًا İncil Ezgisi Gloria A Dios En Las Alturas Есть радость в том чтоб люди ненавидели
Song not available - connect to internet to try again?