Isaoranay Anao, Ry Tomponay Tsitoha, Ny nanomezanao Mpiasa mahasoa. Ka nony vao nandre Ilay antso taminao, Dia roso ka nandeha Nanao ny asanao. Natokanay ho Anao, Ny taona maro be ; Ilay fitiavanao, Nataony rehareha. Na nisy ny manjo, Tsy kivy sanatria Hianao ilay ao am-po Nanao hoe: « Matokia ». Izay nataony anie, Hambininao tokoa, Hitombo be dia be Hitera-boka-tsoa, Hianao Ilay Tompo tia No angatahanay ; Tongava, manampia Izay vitany ho anay. Ka mba tsinjovinao, Sikino hery indray, Ity mpanomponao, Anio sy rahatrizay, Ilay teny taminao Ho aminy anie ; Mpanompo sitrakao Satria nahefa be.zǒu xiàng dà shān Nie puszczę Cię, Jezu mój Těším se na ten čas Велика любов Твоя Žalm chvály Сана Съънъйорум พระผู้ไถ่ Redeemer Álemimsiń Жаратқансаң әлемди ṣgẖyr wlạ kbyr
Song not available - connect to internet to try again?