Ity fonenana ity Tsy manam-pitsaharana ; Maniry aho ho arý An-koatry ny fasana ; Ny lanitra no hitodiako, Fa tena tanindrazako. Kanefa mahatahotra Ny ranobe alehako, Fa ny tafio-drivotra Manohitra ny samboko ; Ny tselatra, ny kotrokorana, Mamely sy mandrahona. Ny sambon'ny fiainako Mamaky onja sarotra, Ka amin'ny alehako Mitopatopa fatratra Ny alondranom-pahoriana, Kanefa tsy maninona. Fa ny Mpamonjy tokana Mitarika ny samboko ; Ny Tompon'ny fiainana Miara-mita amiko, Mba ho tafita aho olony, Ka honina any aminy.Не вставайте так быстро с молитвы Аз Съм Твой Бог Ey, doʻstim kim yaratdi بۇكىل الەمگە موسيقى A Toi mon Dieu, je m'abandonne Мы любим вас любовью Христа tʿạlwạ tʿạlwạ yạ tʿạby O Del man dikhel ʿạly wʿạly
Song not available - connect to internet to try again?