Iza moa io Zazakely // Ao Betlehema // Ankalazain'ny anjely Misasaka alim-be ? Injao ! Mihira avokoa Ry mponina ao an-danitra, Ka iza re io zaza soa ? Moa zanak'Andriamanitra Io no Mpanjaka voatendry, Sady mahery no hendry Zanak'Andriamanitsika, Koa hobio sy ifalio ! Izy no Jeso Mpanjaka, // Ka mihobia ! // Izy mamory sy maka, Avia, mihobia ! Omeo voninahitra, Ka mitehafa tanana ; Hobio ry tendrombohitra Sy lohasaha mavana ! Io no Mpanjaka ..sns. Izy no Tompo nahary, // Ka maneke ! // Zanaky ny Zanahary, Ka dia maneke ! Ry hazo ao an-ala ô ! Samia re manandra-peo ; Ry voninkazo tsara ô ! Atero fofo-manitra ! Io no Mpanjaka ..sns. Efitra sy tany foana ! // O ! mihirà ! // Lemaka ary havoana ! Falia, mihirà ; Ry ranomasin-dehibe, Ry voronkely tsara feo, Izao rehetra marobe, Avia mankalaza re ! Io Mpanjaka ..sns.يا جميع الأمم ГЬОЗЛЕРИМИ САНА КАЛДЪРЪРЪМ عني قضى ربي الحنون Es Navidad (Ft. Marcos Witt) ورائينا مجده Ҝөјдə парлады Fiume di pace Geç kalma gel İmmanuel Беклийорум Сени لما عينه إجت بعيني
Song not available - connect to internet to try again?