Iza no hanoa ny Tompo lehibe ? Iza no hanaja Azy tsara re ? Iza no hitady olon-kafa koa, Mba hanaiky sy handray Ny Tompo soa ? Indreto Jeso Tompo ! izahay izao Avy mba hanompo, avy ho Anao. Tsy an-tery re no ilatsahana Toy ny olom-bery nandevozina ; Ta-hanompo tsara izahay izao Ta-hamely koa izay toherinao : Eny, Jeso Tompo ! ta-hanao tokoa Izahay mpanompo izay nasian-tsoa. Na dia ta-hanompo aza izahay, Be ny fahavalo iadianay ; Izahay malemy feno tahotra, Mba tsy horeseny, manampia anay, Kapiteny sahy ! entonao izao Mba hitomban-dahy ny mpiadinao. Mafy re ny ady, maro be no voa, Misy tsy mahandry, be ny maty koa ; Izahay mpanompo miandrandra Anao ; Tompo izay tsy toha ! mba herezonao : Tompo manan-kery ! hatanjahonao Izahay, sao very ka afaka Aminao.أتينا إليك Doğuş Sevinci Somebody's Knocking At Your Door Budeme chválit meno Ježiš JESUS FOR OUR COUNTRY Сеется семя на ранней заре L'Eternel est mon rocher Mba jereo ny zanakondry قولۇمدۇ كۅككۅ جايىپ Sen Kelyapsan
Song not available - connect to internet to try again?