Iza no hitantara Ny Tompo Jesosy, Ilay nandao ny lapa Ka nidina tatý ? Nitafy nofo Izy, Nanetry tena koa ; Ka maty ho Mpisolo Izao rehetra izao Iza no hitantara (in-3) Ny Tompo Jesosy ? Iza no hitantara Ny fitiavany ? Fa tia ny mpanota Mahantra, very koa ; Ka izay manatona Azy Dia tsy hariany, Fa raisiny tokoa Mba ho sakaizany ; Iza no hitantara (in-3) Ny fitiavany ? Iza no hitantara Ny zava-marobe ? Izay raisin'ny voavonjy Amin'ny alalany ? Tsy mbola hita maso, Na ren'ny sofina, Na takatry ny saina, Ny hasoavany ; Iza no hitantara (in-3) Ny hasoavany ? Iza no hitantara Ny soa be arý ? He! lova tsara fara Hasolo ny atý ; Any an-danitra any Be haravoana, Fa ao ny Tompo Jeso Izay hifaliany ; Iza no hitantara (in-3) Ny soa arý ?ṣlạẗ 2 - tẖmr sẖfạh 3 Хочу скорей на небо لكن جاهزين ليسوع Gloire, gloire, gloire à l'Agneau 玛哈念 Ерде Худайсыз багт ёкдур In Tenderness Худованд назди ки биравем yạ ṣạḥb ạlmjd ạlʿạly พระเป็นแสงสว่าง
Song not available - connect to internet to try again?