Iza no hitantara Ny Tompo Jesosy, Ilay nandao ny lapa Ka nidina tatý ? Nitafy nofo Izy, Nanetry tena koa ; Ka maty ho Mpisolo Izao rehetra izao Iza no hitantara (in-3) Ny Tompo Jesosy ? Iza no hitantara Ny fitiavany ? Fa tia ny mpanota Mahantra, very koa ; Ka izay manatona Azy Dia tsy hariany, Fa raisiny tokoa Mba ho sakaizany ; Iza no hitantara (in-3) Ny fitiavany ? Iza no hitantara Ny zava-marobe ? Izay raisin'ny voavonjy Amin'ny alalany ? Tsy mbola hita maso, Na ren'ny sofina, Na takatry ny saina, Ny hasoavany ; Iza no hitantara (in-3) Ny hasoavany ? Iza no hitantara Ny soa be arý ? He! lova tsara fara Hasolo ny atý ; Any an-danitra any Be haravoana, Fa ao ny Tompo Jeso Izay hifaliany ; Iza no hitantara (in-3) Ny soa arý ?Qutqardyń Sen adamzatty kúnádan Дуа sạmʿ ʿnk Բեթլեհեմի վրա Дом Отца 不可挪移古时的地界 No sabes que la vida Mon Dieu prête-moi l'oreille ạlḥml ạlmdẖbwḥ Qoning bilan bizni yuvding
Song not available - connect to internet to try again?