Iza re ireto avy, Voatafy lamba soa, Samy voasatroka avy Satro-bolamena koa ? Avy taiza izy ireo, Ka ho aiza izy ireo ? Izy ireo dia voavonjy, Voavela heloka ; Samy nino an'i Kristy Fony mbola velona ; Be ny ratsy nentiny, Fa izao dia sambatra. Maro be ny fahavalo Niadiany tatý, Fa tsy mba misy izany intsony ; Afaka ny sarotra, Afa-pahoriana, He, ny hafaliany ! Miramirana tarehy, Indreo, avy izy ireo Mba hihoby an'i Kristy, Tompo sy Mpanjaka koa, Fa nahazo zava-tsoa, Ka dia tretrika tokoa.Çünkü O İyidir Бог любви на путь меня наставил Toto, je deň, toto je deň yuàn nǐ píng ān Дорога уходящая в рассвет حبيتني وأنا خاطي 不管你身邊的光景是多麼慘淡 Zachrániť iných vieš, sám seba však nie Bože, ktorý si stvoril svet Io ti loderò Signor
Song not available - connect to internet to try again?