Izaho nivily, ka simba ny fo, Nafoiko ny làlana tery ; Izaho nanary ny soa sy to, Ka resin'ilay mahavery. Ka nony adala sy mafy ny fo, Dia tonga ny Filazantsara Naneho ny teny mazava sy to, Dia teny izay manambara. Fa tonga ny Tompon'ny lanitra izao Hamonjy izay olom-bery ; Modia anio, ry havako ô, Araho ny làlana tery. Jesosy nijaly nisolo anao ; Ny fony, ny ainy nijaly ; Ario ny ratsy, fidio izao Ny soa izay mahafaly. Izaho fahiny nahery nandà Tsy nety nifidy ny soa, Fa nohon'ny herin'ny afo sy ra, Nanaiky ny foko fa voa. Izaho izao dia tretrika am-po Fa afaka tsara sy sahy Hiala amin-dratsy, hitady ny to , Ka mino fa Jeso no ahy. Ry Jeso Mpamonjy, arovy ny fo, Ahiko ny fandrika maro ! Izaho mikasa ao anatin'ny fo Hanaraka Anao, ry Mpiaro.Samotny wśród morskich صالح للأبد Оху Рəббə һалелуја You Are My Treasure Isten szeret, örvendj hát ЖЕРТВА НА ХВАЛА ʿndmạ nṣly lk Credința-i puterea ce-oprește furtuna Сижу один я думой полн فرحا أفرح بالرب
Song not available - connect to internet to try again?