Izaho nivily, ka simba ny fo, Nafoiko ny làlana tery ; Izaho nanary ny soa sy to, Ka resin'ilay mahavery. Ka nony adala sy mafy ny fo, Dia tonga ny Filazantsara Naneho ny teny mazava sy to, Dia teny izay manambara. Fa tonga ny Tompon'ny lanitra izao Hamonjy izay olom-bery ; Modia anio, ry havako ô, Araho ny làlana tery. Jesosy nijaly nisolo anao ; Ny fony, ny ainy nijaly ; Ario ny ratsy, fidio izao Ny soa izay mahafaly. Izaho fahiny nahery nandà Tsy nety nifidy ny soa, Fa nohon'ny herin'ny afo sy ra, Nanaiky ny foko fa voa. Izaho izao dia tretrika am-po Fa afaka tsara sy sahy Hiala amin-dratsy, hitady ny to , Ka mino fa Jeso no ahy. Ry Jeso Mpamonjy, arovy ny fo, Ahiko ny fandrika maro ! Izaho mikasa ao anatin'ny fo Hanaraka Anao, ry Mpiaro.Две тысячи лет назад Sizga hamdlar aytib Neobstojí žiadna zbraň Эгеси ааламдын Сен Теңирсиң إحنا ليك بين ايديك Svatou dobu již tu máme الله أحبه للإنسان كفايتي نعماه Моя душа нашла покой у вод реки живой Pozri len, pozri
Song not available - connect to internet to try again?