Izao Noely mamy izao No ihobiantsika, Fa noresen'ny aim-baovao Ny fahafatesantsika : Ny Zanak'Andriamanitra, Izay Tompom-boninahitra, Nandao ny lapan-dRainy, Nateraka ho olona Hamonjy sy hamelona Antsika sombin'ainy. Velomy ny fisaorana, Na kely monja aza, Ka aoka izay navotana Hiara-hankalaza Ny Zanak'Andriamanitra, Niala tao an-danitra Hanafaka alahelo ; Ry voavonjy ô ! derao Jesosy Ilay Mpanjakanao ; He, gaina izao ny helo ! Izao Andriamanitra Dia faly amintsika : Jesosy, Tompon-danitra, No tonga namantsika ; Ho re hatrany lavitra Fa foin'Andriamanitra Ilay sitraky ny fony Hitondra fahoriana, Hiari-pijaliana Ho solon'ny mpikomy. Na dia tratry ny manjo, Izay mampiferin'aina, Izaho tsy hamoy fo, Fa manna-kantenaina ; Jesosy dia Zokiko, Ka tsy hohadinoiko, Fa Izy tia ahy ; Ny tenim-piadanany No hery anohanany Ny foko, izay manahy. Haleloia, fa tapitra Ny fahoriantsika ! Derao Andriamanitra, Izay efa tia antsika ! O, ry fanahiko, derao Jesosy, Izay Mpamonjinao, Harena tsy ho lany, Haleloia, Haleloia ! Fa azo ny Mpanavotra, Anao ny fanjakany !Pastrati legătura frăţească Раббим келди 在我的心灵深处 Vitaj, ó, Ježiško narodený Gridiam di gioia ʿly̱ ṣlyb De la noche del sepulcro إحنا شعبك مالناش غيرك L'amore che cerco I'm Gonna Trust in God
Song not available - connect to internet to try again?