Izao Noely mamy izao No ihobiantsika, Fa noresen'ny aim-baovao Ny fahafatesantsika : Ny Zanak'Andriamanitra, Izay Tompom-boninahitra, Nandao ny lapan-dRainy, Nateraka ho olona Hamonjy sy hamelona Antsika sombin'ainy. Velomy ny fisaorana, Na kely monja aza, Ka aoka izay navotana Hiara-hankalaza Ny Zanak'Andriamanitra, Niala tao an-danitra Hanafaka alahelo ; Ry voavonjy ô ! derao Jesosy Ilay Mpanjakanao ; He, gaina izao ny helo ! Izao Andriamanitra Dia faly amintsika : Jesosy, Tompon-danitra, No tonga namantsika ; Ho re hatrany lavitra Fa foin'Andriamanitra Ilay sitraky ny fony Hitondra fahoriana, Hiari-pijaliana Ho solon'ny mpikomy. Na dia tratry ny manjo, Izay mampiferin'aina, Izaho tsy hamoy fo, Fa manna-kantenaina ; Jesosy dia Zokiko, Ka tsy hohadinoiko, Fa Izy tia ahy ; Ny tenim-piadanany No hery anohanany Ny foko, izay manahy. Haleloia, fa tapitra Ny fahoriantsika ! Derao Andriamanitra, Izay efa tia antsika ! O, ry fanahiko, derao Jesosy, Izay Mpamonjinao, Harena tsy ho lany, Haleloia, Haleloia ! Fa azo ny Mpanavotra, Anao ny fanjakany !قۇداي مەنەن جولۇعۇۇعا Бартимай'ън Гьозлери wạ̉nạ ly myn fy ạlʿmr swạk Загалмай бүхнийг хучдаг Ce nume minunat, ce nume minunat عاجايىپ جەردى ٴتاڭىر سيلادى Sına Beni Alleluia to the Lamb קומי אורי Бог с тобою
Song not available - connect to internet to try again?