Izay mahakolokolo No manana ny soa ; Zahao ny tanimboly, Izay fatratra tokoa, Fa he ireo voninkazo Mamerovero ao, Toa nofy izay handazo, Andeha mba jereo. Ireo izay mahavatra, Handray ny voka-tsoa, Ka tena tsy hahantra Tsy reraka tokoa ; Jereo ireo taninketsa Mampanantena voa, Fa soa tsy manam-petra Sy hanim-be tokoa. Izahay, ry ray sy reny, No voninkazo koa, Hamerovero any An-tokantrano soa ; Tezao mba hihatsara Ny fofo-manitray ; Mba tsy harahin-tsento Ny toetra anananay. Izahay no toy ny ketsa Ho vanona tokoa, Hamoa tsy misy fetra, Sy tena hahasoa; Ny fiangonantsika Hahita valiny, Ny fivavahantsika Handroso hery koa.wạ̉mạ kl ạldẖyn qblwh İsa, Seni Seviyorum كنت في القارب أسعى 나를 향한 주의 사랑 У креста في إحتياج Asqar bıik kók aspan Пока молоды и сильны На Витлеемското поле Good Grace
Song not available - connect to internet to try again?