Jehovah ô ! Hianao nandinika ahy, Ka fantatrao ny toe-piainako ; Ny fo sy saina mbamin'ny fanahy Tsy miafina aminao, ry Tompoko ! Ka na mipetraka aho, na mandeha Izay rehetra ataoko hitanao, He, fantatrao ny lalana haleha, Ny androko dia eo an-tananao. Na velona aho, eny, maty aza, Ny tenako dia eo imasonao, Ka toerana aiza, lalana mankaiza No hialako tsy ho hitanao ? Ry Tompo ! tena mahagaga loatra Ny asanao sy ny fisainanao ; Tsy misy saina mety mahatratra Ny fahendrenao sy ny herinao. Izao no hany zavatra iriko ; Velaro indrindra ny fitiavanao, Hahaizako hametraka ny foko Hionona eo am-pelatananao.Csodálatos, szent Кутсал Рух хош гелдин Już się zdobią drzewa Барраи Худо ғолиб шуд nǐ tīng cè ěr tīng Hoy Venimos Cual Hermanos Je dokonáno Спроси самарянку что всех приглашала Oslavujte Hospodina Sopra ogni cosa
Song not available - connect to internet to try again?