Jehovah ô, mba mihainoa ! Indreo misy olon-droa izao Izay manam-pikasana soa Hanorin-tokantrano vao : O ! tahio, O ! tahio, Mba ho tokantrano soa madio O ! tahio, O ! tahio, Mba ho tokantrano soa ! Dia angatahinay, ry Ray Ny fitahianao ho azy ireo Ho nofo sy fanahy iray Ka hifanaja hatrizao. O ! tahio, ..sns. Fenoy ny fiadananao Ny tokantranon'izy ireo Ka mba hamirapiratra ao Ny fivavahana Aminao. O ! tahio, ..sns. Tahio ireo, ry Tompo soa, Mba ho mpivady marina, Hitana sy hanaja koa Ny fanekena masina. O ! tahio, ..sns. Tahio, hifampitantana Mandritra ny fiainany, Ka dia ny fahafatesana No fetra isarahany. O ! tahio, ..sns. Ho maro fara anie ireo Ka mba hitaiza ho Anao Ireo solofo ho tia Anao, Hanompo sy hanaja Anao. O ! tahio, ..sns.ạ̉nạ lḥbyby wḥbyby ly О путник к Отчизне Небесной يا من بحضوره نفسي تطيب Grande Tu sei ۇلى قۇداي، اكەلىك مەيىرىممەن Életünk Krisztus Үлви Нəғмə охусун гој гəлбим Veľký je náš Boh Oi, tuhatkielin ylistää
Song not available - connect to internet to try again?