Jehovah Tomponay ô! Ray mandrakizay, Andriamanitra Mpanjakanay, manerana izao rehetra izao ny herinao. Tsy tratry ny fisainanay ny voninahitrao, an-danitra ao. Te-hidera Anao izahay noforoninao. Kanefa tsy hainay izay vavaka ho enti-mankalaza ny fiandriananao. Fa masina sady marina, be fahendrena, Hianao Izay andohalehan'izao tontolo izao. Noho ny famindramponao izay maharitra mandrakizay, Tompo ô! mba omeo ny Fanahinao Masina, hifona sy hitaraina ho anay. Amin'ny Anaran'i Jesosy Zanakao, mba henoy ny fivavakay. Noho ny haben'ny fahasoavanao, ary noho ny fitiavanao, jereo, Tompo ô, ny Fiangonanao! Mba ampiraiso, hatanjaho, arovy izy, mba hijoro amin'ny Teninao. Ka na mafy ny tafiotra sy ny alon-dranomasina, ny Ran'ny Zanakao no hamonjy azy sy hanavotra azy. Ampitomboy ny finoany. Ny Anaranao ankalazaina mandrakizay, sy hanefanay isan'andro nyvoadinay. Mba raiso ny fisaoranay. Henoy, henoy ny vavakay, ry Tompo ô!ЛЮБОВ ПО ВИСОКА إنت مختلف بقوة لاسم يسوع EC-NS Pred svetim Kraljem (Loredana Medan) Albarkacin Allah 'Na Zuwa ᠴᠦᠯ ᠦᠨ ᠲᠠᠭᠤᠤ บริสุทธิ์ Żyje Pan mạ ạ̉jml ạsmk Dzięki Tobie za Twe dary
Song not available - connect to internet to try again?