Jeso ampio izahay mba handresy ! Ny fahavalo mamely anay ! Indro, ny aizina tsy mbola resy ; Ary Satana mamandrika anay, Ka mba omeo anay ny mazava, Hampahasahy anay lalandava. Jeso ampio izahay mba handresy ! Kely finoana re izahay ; Kivy matetika, mila ho resy ; Aoka ny herinao homba anay ; Dia hatoky izahay, ry Mpandresy Fa ny devoly dia ho voasesy. O, ry Mpandresy, arovy ny ainay ! Ady mafy hiseho izao ; Ka mba tohany hatoky ny fonay ! Dia hiainga hanaraka Anao ; Na dia loza ny herin-tSatana, Sahy izahay, Hianao no mitana. Ampandreseo izahay, ry Mpamonjy ! Ka raha vita ny ady atý, Dia ho isan'izay voavonjy, Ary ho faly sy tretrika erý ; Tsy mba hitsahatra intsony ny hoby Hankalazana Anao, ry Mpamonjy.Kyautar Allah, Ceto Ne Fa 하나님 오른편에 앉아 계신 lmạ tnthy ạlḥrb صرت جديد Rahat gije قۇتقۇزغۇچى نىجاتكارىمىز В мыслях я к Тебе лечу Магтъя Халлелүяа Инҷил ба ман мегӯяд E atâta formă de credință
Song not available - connect to internet to try again?