Jeso iankinako, Izy no mpanavotro ; Kristy itokiako Amin-tsaina sy ny fo ; Kristy ifaliako, Izy marina sy to. Nahafoy ny lanitra Hianao, Mpanavotra ; Raha ny vahoakao Nobaboin'ny rafinao, Hianao mangoraka, Ry Kristy Mpanafaka. Fahoriambe ny erý No nanjo Anao tatý Fa ny fahavalonao Dia nanenjika Anao ; Nefa novalianao Indrafo ny rafinao. He, nijaly Hianao Noho ny fitiavanao Ka ny famindramponao No nahafatesanao ; Hianao nasandratra, Fa nijaly fatratra. Sarobidy izahay, Fa ny ranao avotray, Izay nomenao ho anay, Mba hanafaka anay ; Tonga olom-potsinao Izahay navotanao. Ravoravo izahay, Ry Mpamonjy maminay, Ka ny fanavotanao An'izao tontolo izao Sy ny fitivanao No isaoranay Anao.Cuan Grande Es El Чун Рӯҳӣ ӯ дар мо бошад إفتح يا رب عيون شعبك أنا راجع ليك ạ̉nạ hnạ lạ̉ʿbdk lykn nwr ạ̉gẖsl ʿyny bạldmwʿ Om hele jorden her jeg kunne eie Следуй за Мной когда море бушует أنا لما دخل قلبي يسوع
Song not available - connect to internet to try again?