Jeso iankinako, Izy no mpanavotro ; Kristy itokiako Amin-tsaina sy ny fo ; Kristy ifaliako, Izy marina sy to. Nahafoy ny lanitra Hianao, Mpanavotra ; Raha ny vahoakao Nobaboin'ny rafinao, Hianao mangoraka, Ry Kristy Mpanafaka. Fahoriambe ny erý No nanjo Anao tatý Fa ny fahavalonao Dia nanenjika Anao ; Nefa novalianao Indrafo ny rafinao. He, nijaly Hianao Noho ny fitiavanao Ka ny famindramponao No nahafatesanao ; Hianao nasandratra, Fa nijaly fatratra. Sarobidy izahay, Fa ny ranao avotray, Izay nomenao ho anay, Mba hanafaka anay ; Tonga olom-potsinao Izahay navotanao. Ravoravo izahay, Ry Mpamonjy maminay, Ka ny fanavotanao An'izao tontolo izao Sy ny fitivanao No isaoranay Anao.Кечир Эгем جۉرۅگۉڭدۉ كەنەن اچقىن Хвали, о душе моя, Господа ЬОзде Сьозде рухта бир олан Вот в Иоппии печаль Бог велик ydh ạlmtẖqwbẗ На твоем и моем столе Мама моя Колла Бени
Song not available - connect to internet to try again?